Mitohy ny fiofanana ho fikajiana azy ireny
By Lala R.

Mitohy ny fanofananą ķara-han'ny Ministeran'ny ko-lontsaina sy ny fizahantany ary ny masoivoho Ameri-kanina manatontosa etsy amin'ny lapan'Andafiava-ratra. Tafiditra indrindra amin'ny fomba fitehirizana sy fisorohana ny fahasim-bana eo amin'ireo tahirim-bakoka lamba moa izy ity.

Fizotry ny asa

Miainga amin'ny fanango-nana tahirin-kevitra mika-sika ireo lamba izay ho kira-kiraina ny dingana voaloha-ny, mba ahafahana maha-lala ny akora sy ny fitaova-na sahaza ho enti-manadio na mikoja izany. Rehefa vita izany dia miroso amin'ny fanandramana ka hita eo na misy ny loko izay mety miala ary fantatra na azo atao ny manasa ilay lamba na tsia. Ny lamba hanaovana ny fiofanana moa dia nalaina teny amin'ny tranom-ba-koka Ilafy ny ankamaroany, 79 no isan'izy ireo ary ny landy no nanaovana azy. Marihina fa misy amin'izy ireny no efa nahatratra zato taona.



Araka ny nambaran-dRa-matoa Raharimanana Eme-line lehiben'ny sampan-draharahan'ny vakoka hita maso taminay, dia tsy ny fikajiana sy ny fampitsaha-rana ny fahasimbana eo amin'ireo lamba ihany no tanjona amin'ny fiofanana, izay iarahana amin'i Julia Brennan, fa indrindra koa ny fianarana ireo fomba fanehoana fampirantiana ary ny fikirakirana ny ta-hirim-bakoka lamba, izsfy ilana fahaizana tokoa mba tsy hiteraka fahasimbana noho izy ireny efa ela ni-toerana.

Ireo Mpiofana

Miisa 12 mianadahy no manaraka ny fampiofa-nana. Misy ny avy amin'ny tranom-bakoky ny oniversi-ten'i Fianarantsoa (Musee Faniahy), Mahajanga (Musee Akiba), ary ny eto Antananarivo dia ny etsy amin' ny tranon-javakanto sy ny Arkeolojia Isoraka. Tombony ho anay, hoy ny mpandray anjara izao fi-zarana traikefa izao, satria dia maro tokoa ireo vakoka mila fanamboarana sy fitehirizana any amin'ny faritany nefa noho ny tsy fa-hampian'ilay fahaiza-ma-nao dia saika notazanim-potsiny ny fahavoazana. Eo am-panavaozana ilay efitrano natao hampiran-tiana ny tahirim-bakoka lamba sy ho fitehirizana izany ankehitriny ny Ministeran'ny kolontsaina sy fizahantany, hisokatra ho an' ny besinimaro izy ity ny 18 Febroary ho avy izao etsy Andafiavaratra.

Mahavariana ny mahita ireo karazan-damba asiam-pikojakojana etsy Andafiavaratra, singanina amin' izany ilay akanjon'ny Prai-minisitra Rainilaiarivony nosasana ka toy ny vao omaly no nisiany. Tsapa fa nanana ny anjara toerany lehibe teo amin'ny Malagasy ny lamba na teo amin' ny fotoam-pahavelomany, na ny fahafatesany.
Return to In the News >>